Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 8:32 - Baiboly Katolika

sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.

Jereo ny toko



Marka 8:32
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: «Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!»


Fa i Jesoa kosa natory teo ambody sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: «Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?».


fa i Maria kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: «Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.»


Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»


Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe: «Maty i Lazara,


Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.


Dia hoy ny mpianany taminy: «Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.


ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;