Ary tamin’izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy.
Marka 8:30 - Baiboly Katolika Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hiteny ny momba Azy na amin’iza na amin’iza. DIEM PROTESTANTA Dia nofeperan’i Jesoa ireo mpianany tsy hilazalaza momba Azy na amin’iza na amin’iza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nofeperan’i Jesoa ireo mpianany tsy hilazalaza momba Azy na amin’iza na amin’iza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’olona. Malagasy Bible Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona. La Bible en Malgache Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hiteny ny momba Azy na amin’iza na amin’iza. |
Ary tamin’izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
Ary nasain’i Jesoa nody tany an-tranony izy sy nilazany hoe: «Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.»
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.