Marka 7:28 - Baiboly Katolika Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa namaly Azy Ravehivavy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboa kely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany. DIEM PROTESTANTA Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: –Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin’ny mofon’ny ankizy ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: –Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin’ny mofon’ny ankizy ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany. Malagasy Bible Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. La Bible en Malgache Fa namaly Azy Ravehivavy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboa kely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany. |
Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
Ary hoy ravehivavy: «Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.»
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa hoy Izy taminy: «Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.»
Ary hoy Izy taminy: «Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakaovavy ny demony.»
Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,