Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:15 - Baiboly Katolika

Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko



Marka 7:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.


Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?


«Ianareo koa va, hoy Izy, mbola tsy mahalala ihany?


Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: «Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.


Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.»


Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Fantatrareo fa fady amin’ny Jody ny mikambana amin’ny Jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon’Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio.


Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.


Hano avokoa izay amidy any an-tsena, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana,


Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.


Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.


fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.