Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Marka 6:30 - Baiboly Katolika Nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary vory teo akaikin’i Jesosy ny Apostoly ka nilaza ny tatitry ny zavatra rehetra izay nataony sy nampianariny. DIEM PROTESTANTA Ary dia niverina teo amin’i Jesoa ireo apôstôly nitantara taminy izay rehetra nataony sy nampianariny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary dia niverina teo amin’i Jesoa ireo apôstôly nitantara taminy izay rehetra nataony sy nampianariny. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny Apostoly niangona teo amin’i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’izay nampianariny. Malagasy Bible Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny. La Bible en Malgache Ary vory teo akaikin’i Jesosy ny Apostoly ka nilaza ny tatitry ny zavatra rehetra izay nataony sy nampianariny. |
Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,
Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: «Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.»
Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.
dia i Maria Madelenina sy i Joana ary i Maria renin’i Jakôba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin’ny Apôstôly.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
Ary rehefa niverina ny Apôstôly ka nilaza tamin’i Jesoa ny nataony rehetra, dia nentiny hitokana tany amin’ny tany mangingina akaikin’i Betsaida izy ireo.
Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.