Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Marka 6:21 - Baiboly Katolika Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tomponarivo ary ny loholona tany Galilea. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany. DIEM PROTESTANTA Kanjo tonga ny fotoana nifanojo indrindra tamin’izay nilan’i Herôdiada azy, dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, ka nanaovan’ity mpanjaka fanasana ho an’ireo tandapany sy ireo komandin’ny tafiny ary ireo loholona tao Galilea. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo tonga ny fotoana nifanojo indrindra tamin’izay nilan’i Herôdiada azy, dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, ka nanaovan’ity mpanjaka fanasana ho an’ireo tandapany sy ireo komandin’ny tafiny ary ireo loholona tao Galilea. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany, Malagasy Bible Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany, La Bible en Malgache Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany. |
Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo;
Amin’ny andron’ny mpanjakantsika, ny mpanapaka mankarary tena amin’ny hafanan’ny divay; niara-naninji-tanana tamin’ny mpananihany izy io.
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
Nony ampitso dia tonga i Agripà sy i Berenisy niseho tamim-boninahitra lehibe. Nony tafiditra tao an-trano fitsarana izy, nomban’ny tomponarivo mbamin’ny lehiben’ny tanàna, dia nentina nankao i Paoly, araka ny didin’i Festosy.
Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.