Marka 5:34 - Baiboly Katolika Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao! Ndeha àry ka veloma finaritra, mitohiza fahasalamana soa aman-tsara! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao! Ndeha àry ka veloma finaritra, mitohiza fahasalamana soa aman-tsara! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao. Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao. La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao. |
Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
Nefa raha hitan’ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian’ny nandalorana ny trano, dia holazaina fa madio ny trano satria sitrana ny fery.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
«Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra.
Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: «Ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»
dia hoy izy tamin’ny feo mahery: «Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.» Dia niantsàmbotra ralehilahy, ka namindra.
Nony nitoetra teo elaela ihany izy ireo, dia nampandehanin’ny havana iray finoana soa aman-tsara ho any amin’izay naniraka azy.
Dia nolazain’ny mpiambina ny tranomaizina tamin’i Paoly izany teny izany. «Naniraka handefa anareo ny lehibe, hoy izy, koa mivoaha ankehitriny, ary mandehana soa aman-tsara.»
ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
Dia niteny indray i Helì ka hoy izy: «Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin’ny Andriamanitr’i Israely ny vavaka nataonao taminy.»
Dia hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «Mandehana amim-piadanana, fa efa samy nianiana tamin’ny Anaran’i Iaveh izaho sy ianao, nanao hoe: I Iaveh no anelanelako, izaho sy ianao, ary ny taranakao sy ny taranako, mandrakizay».