Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;
Marka 4:35 - Baiboly Katolika Androtr’izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: «Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita. DIEM PROTESTANTA Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Andeha isika hankerỳ ampita! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Andeha isika hankerỳ ampita! Baiboly Protestanta Malagasy ARY androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. Malagasy Bible Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. La Bible en Malgache Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita. |
Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;
Nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy nampitaina eny an-dafin-drano izy.
Ary rehefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka;
Indray andro dia niditra tao amin’ny sambo kely anankiray i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: «Andeha isika hiampita eny an-dafin’ny farihy,» dia niainga izy ireo.
Ary hoy Izy taminy: «Aiza ny finoanareo?» Fa raiki-tahotra sy ankona teo izy ireo, ka nifampilaza hoe: «Iza moa Ity no mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, sy eken’izy ireo?»
Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady i Jesoa,
dia niondrana tamin’ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: «Raby, oviana no tonga teto Ianao?»