Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:13 - Baiboly Katolika

13 Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny am-pita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary nandao azy ireo Izy dia niondrana indray ka lasa nankeny ampita.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Dia nandao azy ireo i Jesoa ary niondrana indray nankeny ampita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia nandao azy ireo i Jesoa ary niondrana indray nankeny ampita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary nandao azy ireo Izy dia niondrana indray ka lasa nankeny ampita.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:13
15 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nakatò Ahy i Israely.


Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: «Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?» dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany, ary hariako ianareo.» - teny marin’i Iaveh. -


Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima; avelao izy ho eo!


Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!


Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa.»


Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.


Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»


Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.


Tamin’izay ny mponina rehetra tao amin’ny tanin’ny Gerasena nangataka Azy hiala teo aminy, satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo i Jesoa fa ndeha hiverina.


Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo.» Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.


Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo: «Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.»


Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»


Dia niakatra tamin’ny sambo anankiray avy any Adramita hanaraka ny sisin-tanin’i Azia izahay, ka nony voampakatra ny vatofantsika, dia niainga; ary niaraka taminay koa i Aristarka Masedôniana avy any Tesalonika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra