Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 15:40 - Baiboly Katolika

Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa: anisan’ireny i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba zandriny sy i Josefa, ary koa i Salôme,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny ary isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba kely, ary i Josesy sy i Salome;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’i Jakoba kely sy Josesy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny ary isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba kely, ary i Josesy sy i Salome;

Jereo ny toko



Marka 15:40
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy; ary ny fahiratan’ny masoko aza tsy ato amiko intsony.


Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,


Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba, sy i Josefa, sy i Simôna ary i Jodà va no rahalahiny?


Ary i Maria Madelenina, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana.


Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.


Nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Josefa tsara izay nametrahany Azy.


Ary rehefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba, ary i Salôme, mba handeha hanosotra ny vatan’i Jesoa.


Rehefa nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.


nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy.


Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra omban’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea, ka samy nijery izany.


Moa tsy mahazo mitondra anabavy miaraka aminay va izahay, tahaka ny ataon’ireo Apôstôly sasany, sy ny havan’ny Tompo, ary i Sefasy?


Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin’ny Tompo ihany;


I Jakôba, mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.