Marka 15:29 - Baiboly Katolika Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: «Hia! ry Ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra, sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana, DIEM PROTESTANTA Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro! Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ny hateloana, Malagasy Bible Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana, La Bible en Malgache Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana, |
Aoka tsy ho manetra noho ny amiko, izay manantena Anao, ry Tompo, Iavehn’ny tafika! Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady Anao, ry Andriamanitr’i Israely!
Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao, dia izaho izay nokapohin’i Iaveh, tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.
Miteha-tanana avokoa ny amin’ny momba anao, izay rehetra mandeha amin’ny lalana; misitrîsitra sy mihifikifi-doha amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema. «Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary fifalian’ny tany rehetra?»
ka nanao hoe: «Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho, ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.»
«Renay Izy io nanao hoe: ‹Horavako ity tempoly nataon-tanana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana› »;