Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 15:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: «Hia! ry Ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra, sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ny hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:29
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga fandàtsan’ireo olon-dratsy aho, ka vao mijery ahy izy dia mihifikifi-doha.


Aoka ho rava ny tobiny ary tsy hisy mpitoetra ny lainy,


Ry Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao ô, aoka tsy ho menatra noho ny amiko ireo olona miantehitra aminao; aoka tsy hangaihay noho ny amiko ireo mitady Anao, ry Andriamanitr’i Israely!


Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.


Mitehaka noho ny faharavanao izay rehetra mandalo amin’ity lalana ity, velon-tsioka sy mihifikifi-doha izy maneso anao, ry Jerosalema mamiko: «Ity tokoa ve ilay tanàna natao hoe ‹fanaperana amin’ny hatsaran-tarehy› sy ‹fifalian’ny tany tontolo›?»


ka nanao hoe: –Izao no voalazan’ilay io; azoko ravana ity tempolin’Andriamanitra ity ary haoriko indray ao anatin’ny telo andro.


–Renay ilay io nanao hoe: «Horavako ity tempoly nataon-tanan’olombelona ity, ary ao anatin’ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan’olombelona Aho.»


Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy.»]


Vonjeo ny tenanao, ka midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra