Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 15:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy.»]

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy.»]

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao isan’ny ratsy fanahy Izy.»

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:28
5 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, dia homeko anjara lova eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy ka olona alikisa no hataony babo, satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy; eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»


Nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [


Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro!


Lazaiko aminareo fa tsy maintsy tanteraka amiko ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy»; ary efa ho tanteraka tokoa ity ny momba Ahy.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra