Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Marka 14:69 - Baiboly Katolika Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin’izay teo hoe: «Naman’ireny koa io lehilahy io,» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo. DIEM PROTESTANTA Fa nahatazana an’i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: –Anisan’ireny koa io rangahy io! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nahatazana an’i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: –Anisan’ireny koa io rangahy io! Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman’ireny; Malagasy Bible Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny; La Bible en Malgache Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo. |
Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Fa nolaviny hoe: «Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.» Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.
fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera: «Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.»
Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe: «Ianao koa lahy naman’irony olona irony.» Fa hoy i Piera: «Ry sakaiza, tsy namany akory aho.»
Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: «Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?» Ary hoy izy: «Tsia.»
Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: «Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?» Fa nandà izy nanao hoe: «Tsia.»
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.