ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»
Marka 14:55 - Baiboly Katolika Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy, nefa tsy nahita; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona manontolo dia nitady zavatra hiampangana an’i Jesosy ka hamonoany Azy ho faty, nefa tsy nahita. DIEM PROTESTANTA Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita. Malagasy Bible Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita. La Bible en Malgache Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona* manontolo dia nitady zavatra hiampangana an’i Jesosy ka hamonoany Azy ho faty, nefa tsy nahita. |
ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»
ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.
Aza manolotra ahy amin’ny haromotan’ireo mpanohitra ahy; fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy; olona tsy mihevitra afa-tsy ny fanaovana an-keriny.
Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Ary ny lehiben’ny mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany;
ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.»