Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.
Marka 14:53 - Baiboly Katolika Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna. DIEM PROTESTANTA Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna. Malagasy Bible Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna. La Bible en Malgache Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna*. |
Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.
Tamin’izay dia nivory tao an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.
Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.