Marka 14:5 - Baiboly Katolika Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.» Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa azo namidy lafo mihoatra ny denaria telonjato iny menaka manitra iny ka ho nomena ny mahantra! Dia tezitra indrindra tamin-dRavehivavy ireo. DIEM PROTESTANTA Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny! Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny! Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. Malagasy Bible Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. La Bible en Malgache Fa azo namidy lafo mihoatra ny denaria* telonjato iny menaka manitra iny ka ho nomena ny mahantra! Dia tezitra indrindra tamin-dRavehivavy ireo. |
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‹Aloavy ny trosako any aminao.›
Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe: «Nahoana re no lanìna foana toy izao ity zava-manitra?
Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko,
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: «Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.»
fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.
Dia hoy i Filipo taminy: «Na dia mofo-na denie roan-jato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory.»
ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.
Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.
Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin’ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin’ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.