Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Marka 14:44 - Baiboly Katolika Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina. DIEM PROTESTANTA Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka. Malagasy Bible Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka. La Bible en Malgache Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina. |
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika, fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.
Niaraka tamin’izay raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy IsKariota isan’izy roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe: «Arahaba, Raby,» dia nanoroka Azy izy.
Ary rehefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy nambenan’ny mpiambina mafy.
ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.
Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.
Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,