Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa
Marka 14:26 - Baiboly Katolika Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. Malagasy Bible Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. La Bible en Malgache Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. |
Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa
Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»
Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra Oliva araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany.
Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.
Rehefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.