Ny omby vavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany.
Marka 14:22 - Baiboly Katolika Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha mbola nisakafo izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony azy ireo sady nataony hoe: Raiso, ity no tenako. DIEM PROTESTANTA Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso fa ny tenako ity! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso fa ny tenako ity! Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. Malagasy Bible Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. La Bible en Malgache Ary raha mbola nisakafo izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony azy ireo sady nataony hoe: Raiso, ity no tenako. |
Ny omby vavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany.
Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»
Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.
Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo.
nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rehefa nisaotra Izy.
ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka Azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.
(satria Agara no fiantso ny tendrombohitr’i Sinai any Arabia), ary i Agara dia ohatra amin’i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany.