dia mihainoa azy ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka; samy valio araka ny lalany rehetra avy izy, Ianao mahalala ny fony, fa Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Marka 14:15 - Baiboly Katolika Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izy no hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay efa misy izay ilaina rehetra sady voavoatra tsara; any ianareo no manomana ho antsika. DIEM PROTESTANTA Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sy ary fomba sady voavoatra tsara; ka ao ny sakafontsika no omàny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sy ary fomba sady voavoatra tsara; ka ao ny sakafontsika no omàny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika. Malagasy Bible Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika. La Bible en Malgache Ary izy no hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay efa misy izay ilaina rehetra sady voavoatra tsara; any ianareo no manomana ho antsika. |
dia mihainoa azy ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka; samy valio araka ny lalany rehetra avy izy, Ianao mahalala ny fony, fa Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.
Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona; fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.
Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?›
Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.
Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.