Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:35 - Baiboly Katolika

Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak’alina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

Jereo ny toko



Marka 13:35
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.


«Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.


Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony.


Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»


«Mitandrema, miambena ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana;


Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.»


Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»


Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erỳ fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy.