Marka 13:33 - Baiboly Katolika «Mitandrema, miambena ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana. DIEM PROTESTANTA Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’izany fotoanandro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’izany fotoanandro izany. Baiboly Protestanta Malagasy Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. Malagasy Bible Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana. La Bible en Malgache Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana. |
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -
Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao.