Marka 13:32 - Baiboly Katolika Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. DIEM PROTESTANTA –Fa ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak’olona, fa Izy Ray ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Fa ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak’olona, fa Izy Ray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Malagasy Bible Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. La Bible en Malgache Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. |
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‹Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy ianareo›.
Fa hoy ny navaliny azy ireo: «Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany Anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.