Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 11:32 - Baiboly Katolika

Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa holazaintsika va hoe: Avy tamin’ny olona va? Natahotra ny olona izy ireo, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa i Jaona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy...» (Natahotra ny vahoaka ry zareo satria neken’ny olona rehetra fa mpaminanin’Andriamanitra tokoa i Jôhany).

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy...» (Natahotra ny vahoaka ry zareo satria neken’ny olona rehetra fa mpaminanin’Andriamanitra tokoa i Jôhany).

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona,–natahotra ny olona izy, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa holazaintsika va hoe: Avy tamin’ny olona va? Natahotra ny olona izy ireo, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa i Jaona.

Jereo ny toko



Marka 11:32
15 Rohy Ifampitohizana  

Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.


Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.


ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.


Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: «Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?


Dia izao no navaliny an’i Jesoa. «Tsy fantatray.» «Ary Izaho kosa, hoy i Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»


Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.


noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.


Dia notadiavin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hosamborina teo no ho eo ihany Izy, satria fantany fa izy ireo ihany no nanaovan’i Jesoa izany fanoharana izany; saingy ny tahony ny vahoaka no nampiato azy indray.


ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo.


Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: «Tsy nanao fahagagana i Joany;


Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.