Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:46 - Baiboly Katolika

Dia tonga tao Jerikô izy ireo. Ary tamin’Izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikô, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary tonga tao Jeriko izy ireo. Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka dia nisy jamba mpangataka nipetraka teo amoron-dalana, i Bartimeo, zanak’i Timeo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dàlana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’i Timeo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary tonga tao Jeriko izy ireo. Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka dia nisy jamba mpangataka nipetraka teo amoron-dalana, i Bartimeo, zanak’i Timeo.

Jereo ny toko



Marka 10:46
9 Rohy Ifampitohizana  

ary nony namafy Izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;


Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny.


Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny Anjely tany an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina.


Nony mby tao akaikin’i Jerikô Izy, dia nisy kosa jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.


Nony niditra tao Jerikô i Jesoa, dia namaky ny tanàna.


Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: «Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?» Dia hoy ny sasany: «Izy io.»