Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
Marka 10:37 - Baiboly Katolika Dia hoy ireo: «Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray mba ho eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy mirahalahy Taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay any amin’ny voninahitrao, koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao. DIEM PROTESTANTA Ka novalian’izy mirahalahy hoe: –Ny anankiray aminay mirahalahy mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao, rehefa heni-boninahitra Ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka novalian’izy mirahalahy hoe: –Ny anankiray aminay mirahalahy mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao, rehefa heni-boninahitra Ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny an-kavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny an-kavianao, any amin’ny voninahitrao. Malagasy Bible Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao. La Bible en Malgache Hoy izy mirahalahy Taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay any amin’ny voninahitrao, koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao. |
Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra; mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»
Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.