Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Marka 10:19 - Baiboly Katolika Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17). DIEM PROTESTANTA Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.» Baiboly Protestanta Malagasy Fantatrao ny didy hoe: ,,Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,’’ Aza manambaka, „Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eks. 20.12–17). Malagasy Bible Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17). La Bible en Malgache Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17). |
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe: ‹Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza miampanga lainga, manajà ny rainao aman-dreninao.› »
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.
Etsy ange, ianareo izay te ho eo ambanin’ny Lalàna e: tsy renareo va ny vakin’ny Lalàna?
Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
Satria Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza ianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany.