Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
Marka 10:13 - Baiboly Katolika Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny. DIEM PROTESTANTA Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Malagasy Bible Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. La Bible en Malgache Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny. |
Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.»
Fa hoy i Jesoa: «Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.