Marka 1:41 - Baiboly Katolika Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. DIEM PROTESTANTA Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Malagasy Bible Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. La Bible en Malgache Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. |
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
Ary nisy boka anankiray nanatona Azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: «Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.»
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.