Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.
Malakia 2:12 - Baiboly Katolika Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran’i Iaveh eo amin’ny lain’i Jakôba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin’izay manatitra fanatitra ho an’i Iavehn’ny tafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Enga anie ka hofongoran’NY TOMPO hiala amin’ny tranolain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. DIEM PROTESTANTA Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza! Baiboly Protestanta Malagasy Enga anie ka hofongoran’i Jehovah hiala amin’ny lain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro. Malagasy Bible Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. La Bible en Malgache Enga anie ka hofongoran’NY TOMPO hiala amin’ny tranolain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. |
Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Dia hitondra ny valin’ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian’izay manontany ny haratsian’ny mpaminany koa,
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza.
Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako.
Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively.
Ny lain’i Jodà aloha no hovonjen’i Iaveh, mba tsy hisandratra ambonin’i Jodà, ny reharehan’ny taranak’i Davida, sy ny reharehan’ny mponina ao Jerosalema.
Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.
Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.
Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy, ka mandoro ny fanekena tamin’ny razantsika?
fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;
Izany no nianianako tamin’ny tranon’i Helì fa tsy ho azo honeran’ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon’i Helì.