Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Malakia 1:5 - Baiboly Katolika

Hahita maso izany ianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie i Iaveh eo amin’ny tanin’i Israely!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: «Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan’ny tanin’i Israely aza!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: «Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan’ny tanin’i Israely aza!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny hianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely.

Jereo ny toko



Malakia 1:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.


Ary hiakatra hamely an’i Israely vahoakako ianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran’ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran’ny firenena Ahy rehefa manamasina ny Tenako ao aminao Aho, ry Goga, eo imason’ireo.


Hiseho ho lehibe sy masina Aho, ary hampahanfantatra ny Tenako eo imason’ny firenena maro, ka ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.


Amin’izany, hivoaka ny mponina amin’ny tanànan’i Israely, handoro sy hampiredaka ny fiadiana, dia ny ampinga amam-piarovan-tena, ny tsipìka aman-jana-tsipìka, ny langilangy aman-defom-pohy, hatainy izany mandritra ny fito taona.


Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,


Fa ianareo efa nahita maso ny asa lehibe nataon’i Iaveh».


Masonareo no nahita ny nataon’i Iaveh, noho ny amin’i Baala-Fogôra. Naringan’i Iaveh teo afovoanareo avokoa izay rehetra nanaraka an’i Baala-Fogôra;


Velon-taraina tamin’i Iaveh izy ireo, ka nasian’i Iaveh haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.


Ary ankehitriny andraso kely koa ka jereo ny zava-dehibe efa hataon’i Iaveh eo imasonareo.