Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Levitikosy 8:25 - Baiboly Katolika Raha efa izany nalainy ny sabora, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy rehetra, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny saborany ary ny feny havanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nalainy ny jaborany sy ny hofany, ny taovany rehetra, ny ila atiny lehibe, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana. DIEM PROTESTANTA Dia nalainy ny tavin-kenan’ilay ondrilahy, izany hoe ny hofany sy ny jaboran-tsinainy rehetra ary ny ila atiny sy ny voany mbamin’ny fanomboany, ary nalainy koa ny feny ankavanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalainy ny tavin-kenan’ilay ondrilahy, izany hoe ny hofany sy ny jaboran-tsinainy rehetra ary ny ila atiny sy ny voany mbamin’ny fanomboany, ary nalainy koa ny feny ankavanana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana. Malagasy Bible Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana. La Bible en Malgache Nalainy ny jaborany sy ny hofany, ny taovany rehetra, ny ila atiny lehibe, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana. |
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony ôtely.
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;
Nampanatoniny koa ny zanak’i Aarôna, dia notentenany ra ny tendron-dravin-tsofin’izy ireo ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina ny ôtely ny ra.
Ny sobika nisy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan’i Iaveh, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin’ny sabora sy ny fe havanana,