Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.
Levitikosy 6:8 - Baiboly Katolika Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ny ditin-kazo mani-pofona rehetra izay eo ambonin’ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. |
Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.
Ary hanisy afo eo ambony ôtely ny zanak’i Aarôna mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin’ny afo;
Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.
Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.