Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 6:21 - Baiboly Katolika

Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany.

Jereo ny toko



Levitikosy 6:21
8 Rohy Ifampitohizana  

ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.


Ny anankiray amin’ny Levita, dia i Matatiasa lahy matoan’i Seloma, i Kôreita, no tonian’ny mofomamy nendasina tamin’ny lapoaly.


Ary raha misy zavatra amin’ireny sendra tafalatsaka ao anatin’ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anaty vilany, ka homontsaninareo ny vilany.


Ny vilany tany rehetra voakasiky ny marary mitsîka, hovakina, ary ny tavy hazo rehetra kosa hosasana amin’ny rano.


«Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.


Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany zava-masina dia masina izany.


Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.


Ny fanatitra rehetra nendasina tamin’ny lafaoro, na nandrahoina tamin’ny kasirôlina, na tamin’ny lapoaly, dia an’izay mpisorona manolotra azy.