Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 6:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:21
8 Rohy Ifampitohizana  

mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra, manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin’ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.


I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.


Raha siny tanimanga no sendra ilatsahana fatim-biby madinika, dia haloto avokoa ny zavatra ao anatin’io siny io, ka tsy maintsy hovakînareo ilay siny;


Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo.


«Rehefa fanatitra voaendy amin’ny takela-by no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra sady voahoso-menaka no tsy misy leviora.


Ny lehilahy rehetra anisan’ny mpisorona no mahazo mihinana io hena io, satria zava-masina dia masina izany.


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an’Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin’ny koba lafarinina miharo menaka.


Ny fanatitra masaka rehetra, nendasina tamin’ny lafaoro na tamin’ny lapoaly na tamin’ny takela-by, dia an’ilay mpisorona manolotra azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra