Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Levitikosy 3:8 - Baiboly Katolika Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara. DIEM PROTESTANTA Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’i Arona hanopy ny ra manodidina amin’ny lafin’ny alitara. Malagasy Bible Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. La Bible en Malgache Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara. |
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely.
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.
Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.
hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan’i Iaveh, fa fanatitra noho ny ota izany.
Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana Azy.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.