Ary nanatitra sorona teo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy i Israely rehetra niaraka taminy.
Levitikosy 3:7 - Baiboly Katolika «Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha ondry no atolony ho fanatitra dia hoentiny eo anatrehan’NY TOMPO izany. DIEM PROTESTANTA Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha zanak’ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’i Jehovah izy. Malagasy Bible Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Raha ondry no atolony ho fanatitra dia hoentiny eo anatrehan’NY TOMPO izany. |
Ary nanatitra sorona teo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy i Israely rehetra niaraka taminy.
«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.
izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,
hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.
Ny iray amin’ireo zanak’ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin’ny àty takariva;
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!