Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
Levitikosy 27:3 - Baiboly Katolika Raha lehilahy no hotombanana ny hatramin’ny roapolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny hataonao tomban’ny lehilahy roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona dia sekela volafotsy dimampolo araka ny sekelan’ny fitoerana masina; DIEM PROTESTANTA dia araka ny vola tombananao haloany no hanefany voady; «Olona roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona: ho an’ny lehilahy, dia sekela volafotsy dimampolo, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia araka ny vola tombananao haloany no hanefany voady; «Olona roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona: ho an’ny lehilahy, dia sekela volafotsy dimampolo, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny hataonao tomban’ny lehilahy hatramin’ny roa-polo taona ka hatramin’ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masina; Malagasy Bible Ary ny hataonao tomban'ny lehilahy hatramin'ny roa-polo taona ka hatramin'ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masina; La Bible en Malgache Ny hataonao tomban’ny lehilahy roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona dia sekela volafotsy dimampolo araka ny sekelan’ny fitoerana masina; |
Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo.
«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.
Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.
Ny amin’ny fanavotana azy dia asaovy avotana rehefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy.
dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy;