Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.
Levitikosy 26:44 - Baiboly Katolika Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. DIEM PROTESTANTA Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. Malagasy Bible Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. La Bible en Malgache Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. |
Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.
Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.
Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.
Noho ny haben’ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo Ianao.
Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.
«Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà, izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity, ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.
Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy Aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy? Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -
dia amin’izany Aho vao hanary ny taranak’i Jakôba sy i Davida mpanompoko, ka ho tsy amin’ny taranany intsony ny hangalako filohany ho an’ny taranak’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo Aho.
Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao.
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
Ary niakatra avy any Galgalà ny Anjelin’i Iaveh nankany Bokima, ka nanao hoe: «Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho; dia nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena anareo. Hoy Aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay Aho,