Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 24:8 - Baiboly Katolika

Halahatra tsy tapaka isan’andro sabata ireo mofo ireo avy amin’ny zanak’i Israely, eo anatrehan’i Iaveh: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Isaky ny Sabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Isaky ny sabata, mitohy tsy tapaka, no hapetraka mifanongoa eo anatrehako TOMPO ireny mofo avy amin’ny Israelita ireny: ho lamim-panekempihavanana raikitra hatrany hatrany izany ho an’ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Isaky ny sabata, mitohy tsy tapaka, no hapetraka mifanongoa eo anatrehako TOMPO ireny mofo avy amin’ny Israelita ireny: ho lamim-panekempihavanana raikitra hatrany hatrany izany ho an’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah; ho avy amin’ny Zanak’Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Isaky ny Sabata* no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra.

Jereo ny toko



Levitikosy 24:8
9 Rohy Ifampitohizana  

ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.


Ary ny rahalahiny sasany, amin’ny taranak’i Kaata, no niadidy ny fanamboarana ho amin’ny isan-tsabata, ny mofo alahatra.


Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.


Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.


Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitra,


Hasianao ny mofo alahatra, izay ho eo anatrehako mandrakariva eo ambony latabatra.»


Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapoaka, ary ny kôpy amin’ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin’ny latabatra.


Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.