Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 22:4 - Baiboly Katolika

Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika eo amin’ny taovam-pananahana dia tsy hihinana ireo zava-masina izy mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny tsirinainy

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny mpisorona, voan’ny aretin-koditra na marary mitsika eo amin’ny taovam-pilahiana, dia tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina mandra-pahadiony. Toy izany koa ny mpisorona izay nahakasika olona voaloto tamim-paty, na izay nandeha tsirinaina tsy nahy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpisorona, voan’ny aretin-koditra na marary mitsika eo amin’ny taovam-pilahiana, dia tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina mandra-pahadiony. Toy izany koa ny mpisorona izay nahakasika olona voaloto tamim-paty, na izay nandeha tsirinaina tsy nahy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-paha-diony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny azy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika eo amin’ny taovam-pananahana dia tsy hihinana ireo zava-masina izy mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny tsirinainy

Jereo ny toko



Levitikosy 22:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan’ny andro,


Ny fitafiany rehetra sy ny hoditra voakasik’izany koa hosasana amin’ny rano sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»


Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe: «Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,


Azony hanina ihany ny mofon’ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina.


Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.


Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»


Izao no ho anjaranao amin’ny zava-masina indrindra, ialan’izay holevonin’ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho Ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao.


Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.