Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 17:16 - Baiboly Katolika

Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy ny tenany izy, dia hivesatra ny otany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy mandro izy dia ho meloka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia itambesaran-keloka.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia itambesaran-keloka.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy mandro izy dia ho meloka.

Jereo ny toko



Levitikosy 17:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Ary izay mihinana azy amin’izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an’i Iaveh, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.


Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.


Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.


Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.


Fa hoy i Piera taminy: «Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao.» Ka hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.»


no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.