Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 20:17 - Baiboly Katolika

17 Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Raha misy lehilahy manambady ny anabaviny na zanakavavin’ny rainy na zanakavavin’ny reniny ka mahita ny fitanjahany ary Ravehivavy koa dia mahita ny fitanjahany dia zava-dratsy izany ka hesorina eo imason’ny fireneny izy roa; fa nandry tamin’ny anabaviny Ralehilahy ka meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 «Raha misy lehilahy manambady anabavy zanakavavy nentin-drainy na nentin-dreniny, ka miray tokoa izy roroa, dia zavatra mahamenatra izany; eo imason’ny mpiray firenena aminy no hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy roroa, satria niray tamin’ny anabaviny ralehilahy ka itambesaran-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 «Raha misy lehilahy manambady anabavy zanakavavy nentin-drainy na nentin-dreniny, ka miray tokoa izy roroa, dia zavatra mahamenatra izany; eo imason’ny mpiray firenena aminy no hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy roroa, satria niray tamin’ny anabaviny ralehilahy ka itambesaran-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ny rainy, na zanakavavin’ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ny anabaviny ralehilahy ka meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 20:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.


Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’i Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


Ny iray, manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; ny iray hafa, mifotitra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanaka vavin-drainy.


Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavinao, zana-drainao na zana-dreninao, teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany.


Raha misy vehivavy manota hijangajanga amin’ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia hatao maty izy ireo, ka dia amin’izy ireo ny rany.


ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.»


Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra