«Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.
Levitikosy 16:11 - Baiboly Katolika «Koa hatolotr’i Aarôna ny ombalahy atao sorona noho ny ota, izay ho azy, dia hanaovany ny fanonerana ho azy sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ny ombalahy sorona noho ny ota izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy; hovonoiny ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany. DIEM PROTESTANTA «Koa hatolotr’i Aharôna izany ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ilay ombilahy i Aharôna, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Koa hatolotr’i Aharôna izany ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ilay ombilahy i Aharôna, Baiboly Protestanta Malagasy Ary hampanatonin’i Arona ny vantotr’ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr’ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany. Malagasy Bible Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany. La Bible en Malgache Ary hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy; hovonoiny ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany. |
«Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.
Hanao ny fanonerana ho an’ny fitoerana masin’ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an’ny trano lay fihaonana sy ho an’ny ôtely; hanao ny fanonerana ho an’ny mpisorona, ary ho an’ny vahoakan’ny fiangonana rehetra.
Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.