Levitikosy 13:44 - Baiboly Katolika dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain’ny mpisorona hoe maloto: eo amin’ny lohany ny feriny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia lehilahy boka izy ka maloto; hambaran’ny mpisorona fa maloto tokoa izy; eo amin’ny lohany ny aretiny. DIEM PROTESTANTA dia lehilahy voan’ny habokana izy, ka maloto; ary hambaran’ny mpisorona hoe maloto izy, satria misy fery eo amin’ny lohany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia lehilahy voan’ny habokana izy, ka maloto; ary hambaran’ny mpisorona hoe maloto izy, satria misy fery eo amin’ny lohany. Baiboly Protestanta Malagasy dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ny lohany ny aretiny. Malagasy Bible dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina. La Bible en Malgache dia lehilahy boka izy ka maloto; hambaran’ny mpisorona fa maloto tokoa izy; eo amin’ny lohany ny aretiny. |
Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.
Hozahan’ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokana amin’ny hoditry ny nofo,
Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!
fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!