Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 13:43 - Baiboly Katolika

Hozahan’ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokana amin’ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hozahan’ny mpisorona izy, koa raha hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola na eo amin’ny handrina, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditra,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hozahan’ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin’ny hodi-nofo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hozahan’ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin’ny hodi-nofo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha zahan’ny mpisorona izy, ka hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola, na eo amin’ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hozahan’ny mpisorona izy, koa raha hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola na eo amin’ny handrina, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditra,

Jereo ny toko



Levitikosy 13:43
6 Rohy Ifampitohizana  

dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.


Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny mahasamy hafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina Aho, eo afovoan’izy ireo.


sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,


nefa misy mamontsina fotsy na fotsy somary mena, eo amin’ny faritra misy izany fery izany, dia hiseho amin’ny mpisorona izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona izy.


Fa raha misy fery mangia-potsy somary mena eo amin’ny faritra sola, na anoloana na an-damosina, dia habokana mipoitra eo amin’ny faritra sola, na an-damosina na anoloana izany.


dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain’ny mpisorona hoe maloto: eo amin’ny lohany ny feriny.