Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Hozahan’ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin’ny hodi-nofo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Hozahan’ny mpisorona izy, koa raha hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola na eo amin’ny handrina, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Hozahan’ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin’ny hodi-nofo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Hozahan’ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokana amin’ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary raha zahan’ny mpisorona izy, ka hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola, na eo amin’ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:43
6 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.


Mandika ny lalànako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.


Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,


nefa isehoana pentina mamontsina fotsy na pentina somary menamena eo amin’ilay hola-pery, dia hiseho amin’ny mpisorona izy.


Fa raha misy aretin-koditra fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, dia habokana mipoipoitra eo izany.


dia lehilahy voan’ny habokana izy, ka maloto; ary hambaran’ny mpisorona hoe maloto izy, satria misy fery eo amin’ny lohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra