Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 13:21 - Baiboly Katolika

Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo ary tsy lalina noho ny hoditra izany sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha voazahan’ny mpisorona kosa ilay olona, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy volo fotsy eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha voazahan’ny mpisorona kosa ilay olona, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy volo fotsy eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha zahan’ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo ary tsy lalina noho ny hoditra izany sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.

Jereo ny toko



Levitikosy 13:21
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.


Raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, fa fery habokana izany.


Fa raha misy hodi-potsy ao amin’ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady tsy nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin’ny fery, hafitoana, ny mpisorona.


dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.