Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 13:13 - Baiboly Katolika

ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana dia hambarany fa madio ilay marary; satria efa niova ho fotsy manontolo izy ka madio.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hozahany akaiky ilay marary ka raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana, dia hambarany hoe madio izy. Madio tokoa ilay olona satria efa niova ho fotsy avokoa ny hodiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hozahany akaiky ilay marary ka raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana, dia hambarany hoe madio izy. Madio tokoa ilay olona satria efa niova ho fotsy avokoa ny hodiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary zahan’ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana dia hambarany fa madio ilay marary; satria efa niova ho fotsy manontolo izy ka madio.

Jereo ny toko



Levitikosy 13:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.


Raha niely amin’ny hodiny anefa ny habokana, ka manenika ny hoditr’ilay marary, hatrany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony, araka izay rehetra hitan’ny mason’ny mpisorona, dia hozahan’ny mpisorona izy;


Amin’ny andro hahitana nofo mihena velona aminy anefa dia haloto izy;


Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»


«Tandremo amin’ny fery habokana, ka tovy tsara sy araho izay rehetra hatoron’ny mpisorona levitika anareo, araho tsara avokoa izay rehetra nandidiako azy.